4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malai-misaraka (bitaka - BIka sy TArehin-java-KAnto)

Tamin’alahelo tokoa no nisarahana

Tamin’ny tapaka sy namana tao an-tanana

Indrindra teo amin’ny ora farany

Niaingan’ny fiaran-dalana

Mamy tokoa raha ny fiarahana

Nirina mba hitohy

Nirina mba haharitra, nefa tsy maintsy

Nofaranana



’Zany no fiainana,  tena mahafinaritra e

Voatery nofaranana, fa hisaraka  e.



Mbola ho avy aho nama a !

Ilazao ireo akama

Ho avy hamerina indray

Ny fiarahantsika hatrizay

Mbola ho avy aho re e !

Any volan’any taona

Ho avy eto an-tanana

Hiara-paly sy hikorana



Ranomaso latsaka teo ampisarahana

No nandaozako ilay malalako

Atao  ahoana moa fa tsy maintsy mifandao

Na samy tia …

Izaho no lasana any lavitra,

f’ianao no aty



’Zany no fiainana e , lalana tsy maintsy aleha

Aza kivy foana akia, f’izaho mbola tia



Mbola ho avy aho ry tiana

Matokia fa mbola hihaona

Ho avy hamerina indray

Ny fiarahantsika hatrizay

Mbola ho avy aho re e !

Any volan’any taona

Ho eto an-tanana a !

Hiara-paly sy hikorana



BITAKA

BIka sy TArehin-java-KAnto

Partager malai-misaraka (bitaka

Commenter malai-misaraka (bitaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BIka sy TArehin-java-KAnto)