4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hiova intsony (bitaka - BIka sy TArehin-java-KAnto)

TSY HIOVA INTSONY



Mety hisy ve ny fanadinoana

Ka tsy ho tsaroany intsony ny anarako

Ary ho foana ny fanantenana

Hivalona ho tantara ao am-po

         Izy hono tsy hiova intsony

         Fa efa babonao

         Ny fo-ny hono tsy ho zarainy intsony

         F’efa natolony anao



         Tomany izy nandre ny anaranao

         ‘Lay endriny faly dia maloka indray

         Tsaroany anefa fa any ny andro iray

         Hiankina indray eo an-tsandrinao



Ireny fotoana izay niarahana

Dia tena mamy sy fy tokoa

Ny iray minitra tsy anilanao

Tsy tanty fa mampanembona e !

          Efa voasoratra angamba ny lalana

          Tsy maintsy hilanja ny ziogan’ny fitia

          Na mafy aza tsy maintsy ho zakaina

          Satria tiako, izy koa tia ahy



          Tomany izy rehefa injay ny velomanay

          Dia nolazainy koa fa hoe

          Nahoana no misy izany rehetra izany

          Adinony angaha fa :

                      SEDRA NY FITIA



BITAKA

(BIka sy TArehin-java-KAnto)

Partager tsy hiova intsony (bitaka

Commenter tsy hiova intsony (bitaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BIka sy TArehin-java-KAnto)