4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Apetrako aminao - CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA

Apetrako aminao, apetrako aminao

Ity foko reraka sy trotraka

Ity fiainako efa mila ho potraka

Am-pelatananao, am-pelatananao

Avaozy ho tonga vaovao

Tafio ny herinao



Ref: Fa mba manana an’iza moa aho

Mba hiantoraka amin’iza moa e!

fa ianao Jesoa malala no vatolampiko

Fialofako hiankinan’ny fiainako



Ianao no antenaina, ianao no andrandraina

fa indro sarotra ny lalako

Izany entako efa tsy ho zakako

Mangetaheta anao, ny fitsaharanao

maniry ho eo an-tratranao

mba ho trotroinao



Ref: .....

Partager apetrako aminao

Commenter apetrako aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA