4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavan'i jesoa - CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA

FITIAVAN’I JESOA



Omeko anao tsy misy fetra

ny fiainako Jesoa Malala

ka na mandao ahy ny rehetra

ianao sakaizako eo tsy mandao

Ianao jesoa ’lay tsy miova

fitiavanao tsy manam-petra

tinapakao ny gadrako

afakao ny heloko

foana teo ny mampanahy



Jesoa tsarovy ity mpanota

rehefa mby an-danitra any an-koatra

Ilay ao amin’ny fanjakanao

Jesoa ô! raha toa ka sitrakao

Toa hitako ny tananao izay

Mitsotra te-hitarika ahy

ho eo an-kavanan-dray tsitoha

ho mpandova lanitra

ho eo anilanao ry Jesoa



Mbola hataoko ho rehareha

Ny hazo fijalianao Jesoa

Izay nentinao tsy an-tery

Mba hamonjena ireo fanahy

very noho ny fahotàna

Partager fitiavan'i jesoa

Commenter fitiavan'i jesoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CHORALE MARAIMBAOVAO FJKM AMBODIFASINA