4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hehy - Lova Rakoto

Hehy

No ampinga enti-miady

Fiarovana mba tsy ho voa

Na hahatoa

Ny endrikendrika

Ô ô hery

Fanafenan-tomany

Fiherena raha misy manjo

Na ratra am-po

Mila handrendrika

          Tsy afa-tsompatra hono ny ety

          Izay be mpitia

          Maro tsy tia

          Tsy afa-tsembana hono ny dia

          Eny tokoa

          Fa tany moa

Nefa

Tsy ho resin’ny ankaso

Izay mijoro hisedra azy ireo

Tsy hitoreo

Ho miran’endrika

Ô ô Hehy

Fa tsy mba ranomaso

No ajorony toy ny tamboho

Avy ao ivoho

Ho an’ny mpanenjika

         Ny fosafosa avy etsy sy avy ery

         Valina Hehy

         Miova tarehy

         Ny latsalatsa sy ny eso koa

         Marina moa

         Raha tsy mikoa

Partager hehy

Commenter hehy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lova Rakoto