4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy izany no ilaina - Lova Rakoto

Tsy vitam-po onena

tsy vitan-dranomaso

ny asam-pamonjena

tsy azo atao mifampiandry andraso

tsy azo ifanerena

mila fandavan-tena

sy hery avy ao anaty

herim-po herin-tsaina koa



na onena ny fonao

na tomany ny maso

tsy izany no ilaina

fa fifankatiavana

na onena ny fonao

na tomany ny maso

tsy izany no ilaina

fa fifankatiavana



ny mpianatry ny tompo

nasainy nifanompo

na mamy na mangidy

miara-dia fa izany no didy

mamonjy ny mahantra

manarina ny lavo

mitsabo ny  maratra

ary koa tsy mbà miavom-po



na onena ny fonao....

Partager tsy izany no ilaina

Commenter tsy izany no ilaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lova Rakoto