Na dia maro aza ny otako
’Ty aho Raiko o!
Manantena famelana avy aminao
Ry ’lay Nahary ny tontolo
Zay niainako tety fahizay
Tompo Mpamonjy ny lalako
Toa tsy hisy fitsaharana
Reny hadisoako nandratra fo
Ray o! Mamela ny heloko
Fantatrao hatrizay ary hitanao koa
Zay rehetra kasainay atao
Ny foko no atolotro ho Anao manontolo
Ray o! Mamela ny heloko
Tsy ho takatry ny saiko zay vitanao
Fitiavana avokoa saingy tsy haiko ny mitory
Ny hazavanao manontolo no mitsinjo
Diso aho nefa tsy mba foinao