Tsy manavakavaka Jehovah Andriamanitra
Izy mampihavana sady be fitiavana
Tsy manavakavaka Jehovah Andriamanitra
Izy tsy miangatra mizara fahasoavana
Na ny lahy na ny vavy
Tompo tsy manavakavaka
Na ny kely na ny lehibe
Tompo tsy manavakavaka
Na ny fotsy na ny mainty
Tompo tsy manavakavaka
Na ny ory na ny manana
Tompo tsy manavakavaka
Isika izay milaza fa manara-dia an’i Kristy
Tokony tsy hanavakavaka
Indrindra ireo mpanota izay mitady ny hamoy fo
Tokony tsy hahilikilika
Ireny no asa andrasana aminao