Zay afafy
Saingy tsy valiana vetivety
Ny ratsy natao ka manara-po
Nefa tsarovy ry olona o!
Mbola hotsaraina ianao
Ratsy atao dia elo andrandraina
Soa atao dia lanitra antenaina
Zay afafy ihany no jinjaina (2)
Ilay Andriamanitra Tompo
Mahita izay atao ety
Fantany avokoa ny ao am-po
Izy no hitsara anao
(K\\’aza manjehy ny andro lava)
Ny mpanompo ratsy tsy ho fantany
Ny mpanompo tsara hifaliany