Tononkira Ry jesoa mamin'ny foko - ANJOMARA-Anosivavaka
Ry Jesoa mamin’ny foko
Ny havotra ’zay vitanao
Avotra tena tsy foiko
Mitondra aina vaovao
Inona no mampanahy
Jesoa Mpamonjy no ahy
’Zaho dia tretrika am-po
Fa Jesoa tia ahy tokoa
Ny otako manapitr’isa
Nentiny tao Kalvary
Lovako ny paradisa
Fonena-mamiko ery
Inona no mampanahy....
Ry Jesoa ’zay fototr’aiko
Misaotra indrindra anao
Ny hany mba ho lazaiko
Oneno ny foko izao
Inona no mampanahy.....
Partager ry jesoa mamin'ny foko
Commenter ry jesoa mamin'ny foko