Andriamanitra mahery, raha ny fitiavanao
Satria miahy anay tsy ho very fa momba sy mitahy Hianao
Raha sendra kivy izahay tsy manan-kifaharana
Hianao mampahery hatrany hoe " Izaho tsy handao anao"
REFRAIN
Ry Tompo ô! (bis) misaotra Anao tokoa izahay
Satria efa natolotrao anay ny fahasoavanao
Ankalazainay anio ny Anaranao ry Tompo tia
Satria tsy takatry ny sainay ny herin'ny Fitiavanao
Andriamanitra mahery, raha ny famindram-ponao
Satria mamela anay hatrany Hianao rehefa mibebaka izahay
Raha tojo ady sarotra ka mila ho lavo amin'ny ota
Hianao mampahery hatrany hoe " indro Aho tsy handao Anao"
Auteur compositeur Jimmy Andrianjaka