Sakaiza ê! ndeha hiara-dia
Hanompo ilay Tompo tia
Ka hifampitantana, ho fanandratana
Ny fifankatiavana
Tokana ny tanjona hokendrena
Hiady amin'ny fitiavan-tena
Fa Jeso nilaza hoe " mifankatiava"
Hianareo fa mpianatro tokoa
Fitiavana tsy mila tamby
Tsy miavona fa mora Fanahy
Izany no ilaina sy mendrika ho zaraina
Ny olona eram-bazan-tany
Auteur-compositeur : Jimmy Andrianjaka