Tamin'ilay nanekeko an'i Jeso ho Tompo Mpamonjy ny fiainako
Dia nambarany mazava tamiko f 'olon'afaka aho
'Reo gadran'ny ota namatotra ahy notapatapahiny avokoa
Tonga afaka aho, eny afaka aho, olon'afaka aho
Ilay foko fahiny tia fahadalana
Nilomano tanatin'ny fahotana
Nosoloany vaovao, tia ny sitrapony hatramin'izao
Ilay fanahin'ny saiko feno haratsiana
Tia tena, tia vola, tia fandrafiana
Nohavaoziny koa mba ho tia ny tsara hatramin'izao
Auteur compositeur : Jimmy Andrianjaka