Ry mponina eran-tany derao ny Tomponao
Nanetry tena mba ho an’izaotontolo izao
Tonga mba hamonjy hanavotra aina koa
Antsika izay milonjy fahoriana ao am-po
Ry olombelona o! Ahoana ny hevitrao
Hiova ve ianao sa hanota lava izao
Ireo fombafomba ratsy ialao ka ivilio
Ny Tompo no mamatsy ny fanahinao anio
Nanetry tena Ianao nisolo voina anay
Hitondra aina vao ho hery mampiray
Ety ny fiainanay dia feno haratsiana
Ianao no aronay ka tsy hisy hakiviana