Tsy tratry ny saina ny herinao ry Tompo ô
Fa fandresena ho an’izay mino sy famonjena ireo izay very koa
Tsy tratry ny saina ny fitiavanao anay
Fa fitiavana izay miantso anay
Mba hitiavanay ny manodidina anay
Misaotra anao fa tsy nafeninao anay
Izay sitrakao atao
Fa fiainana vaovao sy masina
No omenao izay reheatra tia anao
Tsy tratry ny fanahy ny hamasinanao ry Tompo ô
Kanefa he izay manatona anao
Tsy lavinao fa manantena aina vao