4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hay tratrako ianao - Ndondolah sy Tahiry

Tondro molotra kely

no nitsena ahy am-bavahady  ooo

fahatairana, hafa fijery

dia nidika ho  fambara ratsy eee

ilay malala tsy foiko

vao namoaka olon-kafa alan-trano ooo

tantara maty paika taloha

tara kely dia nampiditra angano   eee



Hay ! tena tratrako ianao

sady ambodi-omby inianao natao ooo

hay malala be fikafika

ka manao irony fiainanan’alika e!



Malala hafa fitafy

hafa fihaingo toa mampiana-dratsy eee!

mi-rouler "r" raha vao miteny

Remba maso izy rehefa mijery eee

Akama mody sari-tamana

mody tsotra , mody sarisariaka eee

Kary mainty tena joko tsoriaka

menarana fa tsy raozy baliaka eee



Hay tena tratrako ianao

tena namako akaiky tsotra izao ooo

Ts’isy tahotra na vadin’akama

nefa ny ahy aloha no tena adala eee!!


Partager hay tratrako ianao

Commenter hay tratrako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ndondolah sy Tahiry