4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izay dia izay - Ndondolah sy Tahiry

Tsy mety intsony Aho, fa rahefa izay dia izay dia izay.

Tsy lasa intsony ireo mpanatsatso sy miteny.

Fa fitiavako io safidik’io, ny Ahy izay tiako ihany.

Tsy mety intsony aho, raha mbola ianao no miteny Ahy.



Tsy lasa intsony ireo fosafosanao hatrizay dia izay.

Tsy mety intsony Aho, tsy izay lazainao dia ho ekeko o!

Fa fitiavako io safidik’io, ny Ahy izay tiako ihany.

Tsy mety intsony aho, raha mbola  ianao no miteny Ahy.



       Ref:

             Izy no tiako tena tiako, tiako fotsiny tsotr’izao,

             Tsy noteren’ilay fitia, fa izay sitrapoko hiafarany.

             Fa safidin’ny fo, fitiavako io, ny Ahy izay tiako ihany.

             Tsy mety intsony aho,

             Raha mbola ianao no mibaiko Ahy. ( x 2 )



Tsy hoe hilaza aho, hoe tsy azo atoro aho indraindray dia izay

Tsy mba miteny Aho, mahavita-tena sanatria!

Fa fitiavan’ny fo safidik’io, tsy izay tianao ihany.

Tsy mety intsony aho, raha mbola ianao no miteny Ahy.



       Ref:


Partager izay dia izay

Commenter izay dia izay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ndondolah sy Tahiry