4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any malala - Rossy

Any malala! Manoratra ho anao aho
Ny aty dia salama nefa
Tsy dia misy vaovao
Fa malahelo mafy anao aho, ka mila ho adala
Nefa atao ahoana moa
Fa mamafy vao mioty ny soa

Fa ny aty (2) miady isan'andro
Tsemboka ny handrina izay vao
Mba mahita ny soa
Fa ny aty (2) mamono masoandro
Nefa tsy kivy
Fa mankahery fo
Mifofotra miady
Ny hiadanantsika roa

Any malala! Manoratra ho anao aho
Voaraiko androany ny taratasinao
Izay nilaza fa hoe angamba
Tsy hahandry ahy intsony ianao
Fa hiova malala
Niangavy ahy ianao
Mba hanadino sy hamela anao mba handeha

Fa ny aty (2) tsy nino ny saina
F'ilay nolalaina, nihafiana, niadiana
Izao rehetra vita izao
No hany (2) tsy hahandry maraina
Nahita ny hafa ka hoe izao
Nilaza fa handao
Tsia, tsy mino izany aho e
Fa mbola tia anao
Androany (2) aho, hanainga haka anao
Fa mino foana aho e
Mbola tia ahy ianao ooooooooooo ....

Partager any malala

Commenter any malala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite