4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Marary afrika - Rossy

Fa Marary Afrika e

Fa marary ny tany a

Fa marary ny tany e

marary Afrika



Mararin’ny tondra-drano izy e

rehefa tonga ny fahavaratra

Mararin’ny hain-tany

Rehefa tonga ny lohataona

mararin’ny mosary izy e

rehefa tonga ny miaka-bokatra



Mila anao zanany hanavotra azy izy e

Miandry ano zanany hanavotra azy izy

Afrika

Afrika

taniko mijaly e



Kanefa aza kivy hoy aho

fa tsy irery ianao

fa be ny namanao

eran’ny izao tontolo izao

Tsivalivaly manko ny fiainana eto an-tany

Ka raha lavo ianao anio

hiarina ianao indray andro any



oya yeh..!



Fa Marary afrika e

Fa marary ny tany a

Fa marary ny tany e

marary Afrika



Mararin’ ny risoriso izy e

nony tonga ny fahafahana

mararin’ny ady an-trano izy e

tonga ny fahaleovantenany

mararin’ny didy jadona izy e

foana ny fanandevozana



Mila anao zanany hanavotra azy izy e

Miandry anao zanany hanavotra azy izy

Afrika

Afrika

taniko mijaly e



kanefa aza kivy hoy aho na hoe hamoy fo

ireo zanakao rehetra ireo hitsangana hifoha

hanongotra ireo tsy sitram-parasisa

hanorina indray ny tany mba ho paradisa



mbola ho avy paikanao

mbola ho sambatra ianao

Afrika....




Partager marary afrika

Commenter marary afrika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite