4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako ny mozika - Solo Miral

TIAKO NY MOZIKA



Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika

Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika



Raiso ny valiha, etsy ianao mandihy

Tsofy ny farara fa zanaka amam-para ianao

Tendreo ny kabôsy, tsy sarotra, araraoty

Rangoty ny marovany, handoko ny akany



Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika

Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika



Tsofy ny anjomara, henoy ny tantara

Ny sodina no tano, hanala hamohamo

Veleso ny kipantsona, mahaiza mba mifantina

Dia kaloy ny hirantsika, fa tiako ny mozika



Ny mozika, tontolo iainana fameno ny fisainana

Ny mozika oroka mangina ho an’ilay olon-tiana

Ny mozika fihavanana sy vavaka tsy mba havakavaka



Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika

Tiako ny mozika e! Tiako ny mozika



Lalaovy ny gitara fa be ny te hahalala

Didio ny lokanga araho feo manga, feo manga izy e!

Io ny angorodao , latsi-tanana atao

Dia kaloy ny hirantsika fa tiako ny mozika



Ny mozika : tsy ady politika, tsy mba rà mandriaka

Ny mozika tsy aretina maharary fa tolo-janahary

Ny mozika tsy varatra alatsaka, fa namana sy tapaka izy



Ny mozika ! ……

Partager tiako ny mozika

Commenter tiako ny mozika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo Miral