4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hifankatia - TARIKA TSINJO

                HIFANKATIA





     1-Tao anatin’ny maro, no nosafidiako ianao

       Mba hitantana ny fiainako

       Ilay fitia voasedra, sy fitiavana madio

       No nifanolorantsika hatrizay

      

  

  Ref- Andro iray, toa zato ny andro anio

       Hafaliana mameno fo

       Ny fahitako anao, ao anilako eo

       Hiaraka mandrakizay, fa

      

       Hifankatia eh!, hisedra ny onjam-piainana isika

       Hitondra ny mamy sy izay mangidy ho anjarantsika

       Fiarahana izay apetraka @ Ray

       Enga anie ka mba haharitra mandrakizay, fa

       Ny fitia eh!, no antok’izany rehetra izany

       Fifankatiavana mandavorary fiainana an-tany

       Fandeferana no fitaovana hanampianao izany

       Dia hiaina sy ho sambatra isika



  

       2-Tena faly dia faly aho,  

         Tsy hita izay hambara anao

         Fa ny toky no indro atolotro

         Ho tia anao tokoa aho, na manana na ory

         Ho tokinao sy ho andrinao

        



        

Partager hifankatia

Commenter hifankatia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSINJO