4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny hirako - TARIKA TSINJO

      Tsy havelako hangina ny tontolo

      Raha mbola tsy moana ny vavako

      Fa hirahira no zaraiko any ho any

      

      Raha mbola misy ihany ny azo atao

      Ravahiko mozika ny hirako

      Hamalifaliako an’ireo zay oriory



      Toa vita tsy atao, ny asa arahina hirahira

      Ka hihira aho na dia tsy mahay

      Fanoiko hirahira foana ny fiainako

      Mba holovasoa n’ireo

      Izay dimbiko any aoriana

    

      La, la ...



      

      Manjombona lava ny any aminay

      Raha sendra ilaozan’ny feoko

      ka mahonena miandry ny hahatongavako

      Tsy avelako hangina koa ny any

      Hovangivangiako matetika

      Hamalifaliako an’ireo zay oriory

            

Partager ny hirako

Commenter ny hirako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSINJO