4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alon-drano - Tselatra

Maro ireo alon-drano

akon’ny loza sy angano e

mila handrendrika antsika a

mibohibohika tsy mety ritra

ao ireo mpisompatra

indrindra koa ny mpialona

mitady ny hamotraka

mijery antsika miarakaraka



An-dohako foana e

ny hoe eo anilanao

katsahiko mafy ery

ny hahafalifaly foana andry



Mitraka fa aza miondrika

fa tsy irery akory ialahy

Avia an-tratrako

rotsirotsiako fitiavana



Izaho akory tsy mba hiala

ka matokisa ry malala e

tantely nahita mamy

ka makamaka fy hatrany



satriko foana e

ny ho eo akaikinao aa

mamiko ery

ny mihirahira mihaja ho andry



tena tia ree

maka-fy oaa

manaja foana ny aty



Maro ireo alon-drano

akon’ny loza sy angano

mila handrendrika antsika

miboiboika tsy mety ritra (2x)



An-dohako foana e

ny mba ho eo anilanao

satriko ery

ny hihira avo feo ho andry .

Partager alon-drano

Commenter alon-drano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite