4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira May - Tselatra

Misentosento irery an-trano aho

Mandefa hirahira fitia ho anao

Ny vetsom-po hiampita any ho any

Dia lasa manina aho izany



Mandrovi-tsihy ny fitiavako anao

Miredareda ao anatiko ao

F'ianao nefa toa alavitra any

Manembona aho, manembona anao izany



Oh , may aho

Tia anao aho

Mangatsiaka aho

Raha tsy eo akaikinao



May e

May ny fitiavanao aho

Mandoro lamba ny foko tia anao



Mano-manontany tena foana

Rahoviana indray no afaka hihaona

Fa sasa-miandry aho ny sisan'ny fotoana

zay jerena dia naha-babangoana



May aho raha hilaozanao

Mandorodonro lamba ny fitiavanao

May e

Mila anao aho

Aza avelanao aho fa tara aminao



May aho

Tia anao aho

Mangatsiaka aho raha tsy eo akaikinao aho

May e

Tia ano hiredareda anatiko ao

May e

Mila anao

Mila hafanana



TSELATRA




Partager may

Commenter may

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite