4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Matokia - Tselatra



Lazaiko marina tokoa anareo

Fa Andriamanitra anie ry zareo

Tsy mba manavakavaka

Fa mihaino ny olona izay mivavaka

Ambarambarako tokoa anareo

Fa Jehovah anie ry zareo

Dia tsy miova fa maharitra

Izay rehetra mino azy no ho avotra



Chorus 1:

Mamaly vavaka anareo

Mampihonona ny  fo mitoreo

Manasitrana ny marary

Mandray antsika hatrany hatrany



Lazaiko marina tokoa anareo ve

Fa ny Tompontsika anie ry zareo

Tsy manary fa manavotra

Ny mpanota rehetra mangataka

Zaraina mihitsy anareo re

Ny fitiavan’Andriamanitra jereo e

Fa tsy mba mifidy tavan’olona

Fa mandray izay rehetra efa vonona a



Chorus 2 :

Mpanafaka ny fatotra re

Manaisotra ny otantsika e

Mampatanjaka mampahery

Mitady ny ondry efa very



Ka mitory (misaora azy)

Dia matoky (mitsangana ho mpandresy)

O mifaly (mihoby re)

Dia mitsiky (fa nitsangana ny Mesia e)



Izy no lalana

Ary koa fiainana

Tompon’ny fahamarinana

Fiandohana Sy fiafarana



Ka matoky (Misaora azy e)

Dia mitory (ny fanjakany)

Dia mifalia (mitsaoka azy)

Ande ary (deraina  Kristy)

Dia mitsiky (misaora azy)

Dia mifalia (fa nitsangana ilay Mesia)

Fa ande mandihy (fa efa nitsangana ny Tompo tia)

Mihobia, mitsiky, mitory…

Partager matokia

Commenter matokia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite