4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamanala - VAKAMIARINA

MAMANALA



F’angaha raha maizina ny tanàna

Tsy hita intsony ao ny hazavana

De itanondrika eto isika

Tsy hitady hafanana fa hiaritra ny hatsiaka

Izay mamanala

  



F’angaha raha korontana sy tomany

N’aiza n’aiza aleha eto antany

De itanondrika eto isika

Tsy hitady hafanana fa hiaritra ny hatsiaka

Izay mamanala





K’andeha hitafy hafanana

Hirakotra hazavana

Andeha hitraka, andeha hifoha

Aza alofika intsony ny loha



Hifampizara ny soa sy ny tsara

Hanova indray ny tantara

Andeha ailika i Baroa

Ny ratsy hiova ho soa



Andeha hitady hafanana

Fa tsy iaritra ny hatsiaka lava izao

Izay mamanala





A/C : Nantenaina Andriamorasata

Partager mamanala

Commenter mamanala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VAKAMIARINA