4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maranatha - VICTOR SY NINAH

MARANATHA



Izay andro izay, izay no andrasako

Hiverina ny Mpamonjiko

Ho hitako Izy hanatrika ahy, ny sadriny no hasampiny ahy

Ary ho entiny amin’zay toerany aho



Hatramin’izay dia sombintsombiny

Sombiny ihany no fantatro

F’amin’izay dia hambarany ahy ny zava-miafin’ny Fanahy

Honina eo anilany aho



Ny fanantenako e, tsy ho levona

Jesosiko iny tsy hamitaka ahy

Indro efa akaiky ny andro izay hamonjena ahy

Avia Jesosy ô Maranatha



He ny hafalian’ny ho ampakarina

Rehefa injay ny Mpampakatra

Tontolo tsy fahita ety

Izay jeren’ny maso vaovao ery

Lasa tokoa ny zavatra taloha (ô hô!)



Ka ny fonenan’Andriamanitra

Indro vohany itoerako

Hifankahita amin’ny havako maty taloha fa voavonjy koa

Hiara-mitoetra amin’ilay Tompo soa



(In-3)

Ny fanantenako e, tsy ho levona

Jesosiko iny e, tsy hamitaka ahy

Indro efa akaiky ny andro izay hamonjena ahy

Avia Jesosy ô Maranatha



Avia Jesosy ö maranatha, maranatha (Fin)

Partager maranatha

Commenter maranatha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VICTOR SY NINAH