4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada - VICTOR SY NINAH

DADA



Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra

Mbola miantso sy miandry Andriamanitra

Ireo mpanota miova fo ka miarina

O hô hô

Izy no antsoina amin’ny teny hoe olo-marina



Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any

Hiaraka handova ilay paradisa mamy

Hiala amin’ny sento sy fahorian’ny tany e he he

Sambatra loatra sy mahafinaritra ny any





Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra

...



Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any

...



Raha misy fotoana hiverenana

Antoka tsy hanenenana

Ndeha ary isika hiezaka

Hiaraka samy hibebabaka

Mbola mivoha ny lanitra

Hidiran’ny olona niaritra

Rehefa nandray an’i Kristy

Izy  no sambatra ho doria



Zoky e,

Ndeha mba hialàna, fa aoka izay ny ratsy

Sao tsy tafiditra ny tanàna mantsy  

Izay miezaka hitahiry vatsy ô hô hô

Tratry izay farany feno lo sy faty



Zandry e,

Aoka homanina ny ho avinao dieny eto

Mba tsy ho tratry ny loza mampisento

Inty ny fanevan’ny Tompontsika ento

Ary ilay afo ao am-po ampireheto



Raha misy fotoana hiverenana

...



Dada ô, mbola misokatra ho anao ny lanitra...



Neny e, satriko isika rehetra izao no ho any...

Partager dada

Commenter dada

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VICTOR SY NINAH