4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpiandry tsara - VICTOR SY NINAH

MPIANDRY TSARA





Misy fotoana tsy ampoizina hoe mahafinaritra

Nefa fotoana iombonan’ny tany sy lanitra

Mpanota anakiray eto an-tany mibebaka

Ka ny any an-danitra no indro mitehaka

Faly ery totorebika fatratra (tena sambatra)



Dia mikoràna tsy misy ohatr’izany any an-danitra

Isaky ny olo-miverina ho an’Andriamanitra

Mandray an’i Jeso Tompo Mpamonjy

Ny fiainany lasa tsy tsaroany intsony

Fa fo vaovao no atao ao anatiny



Dia nilefa teo e! ’lay amboadia

‘Lay mpandangolango amin’ny fiteny mahate-ho tia

‘Lay devoly fetsy, menarana ela

Rava ny tetiny, ny asany tsisy tavela

Fa Jesosy Tompo, ‘lay Mpiandry tsara

Mitrotro ny azy sy miaro any anatin’ny vala

Ary be dia be, ary be dia be

Ny fiainana entiny sady omeny azy ireo



Vao lavi-davitra ery ianao dia tsy misy miery

Ny olom-boavonjy midera sy mihoby amin’ny feony mahery

Miara- miredona sy mankalàza, ‘lay Tompo tokana sy manan-daza

Mandrakizay dia tsy ho lefy laza

Dia miara-mifaly tokoa ny tany sy lanitra ambony

Ny alahelo sy aizina tsy hita, tsy ho hita intsony

Feno hazavàna ny fiainan-koavy

Fa tafaray indray ny mpianakavy

Sambatra loatra izay mino ny anarany, mandray azy



Dia nilefa teo e!...



Victor sy Ninah

Partager mpiandry tsara

Commenter mpiandry tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VICTOR SY NINAH