4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antso - VLM 67HA

Zao hiranay izao no ventesinay
Mitondra ny feon’ireo namanay
Mahatsiaro fijaliana
Satria ampahorian’ireo lehilahy mamolava ireo
Tebiteby lalandava no iainany
Zany fitoniana izany tsy mba fantany
Vono, kapoka no iaretany
Teny mandratra fo hatrany no henony
Mijaly izy ireo, mijaly
Ref: Mitaona anareo izahay, nareo zay mbola tamana
Amin’io fisotro ratsy io, tsy mahasoa io ndao ialàna
Fa ny fiainanao hihavao kokoa
Ny ankohonanao ho soa tokoa
Raha alavirinao io fisotro io
Amin’ny anaran’I Jesosy Tompo, lay tena tiana anao
Ho afaka ianao ka manatona Azy izao dia izao

Zaza maro no injao renao mitoreo
Tomany lava sy toloko no iainan’izy ireo
Mahatsiaro hoe tsy tianao
Tsy mba mahazo izay iriana
Fa ny rainy toa variana milalao
Ny fiainany izay tokony ho soa
Zary lasa zioga mavesatra tokoa
Alahelo hatrany hatrany
Kiakiaka sy tomany no mba hitany
Mijaly izy ireo
Ref: Mitaona anareo izahay, nareo zay mbola tamana
Amin’io fisotro ratsy io, tsy mahasoa io ndao ialàna
Fa ny fiainanao hihavao kokoa
Ny ankohonanao ho soa tokoa
Raha alavirinao io fisotro io
Amin’ny anaran’I Jesosy Tompo, lay tena tiana anao
Ho afaka ianao ka manatona Azy izao dia izao

Jesosy ô jereonao e! reo raim-pianakaviana eto amin’ny taninay
Omeo fo tia manaja anao, omeo fahendrena koa

Partager antso

Commenter antso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VLM 67HA