4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jehovah hiady ho anao - VLM 67Ha

Ry fo tsy miadana sy be siasia, mitonia
Mitonia ianao
Ka ento amin-Tompo ny fahorianao
Ny alahelo mitambesatra
Ref: Fa Jehovah no hiady ho anao
Hiatrika ny olanao rehetra
Hianao kosa hangina sy hatoky
Fa ny làlany feno fiadanana

Ry olon-tsy tony miasa fatratra
Mitsahara re ka avelao
Ny herin’ny Ray no hiasa aminao
Dia ho maivana ny entanao
Ref: Fa Jehovah no hiady ho anao
Hiatrika ny olanao rehetra
Hianao kosa hangina sy hatoky
Fa ny làlany feno fiadanana

Fanahy tsy mitsahatra feno ahiahy
Matokia Azy re izao
Fa zanaka tiany, malala ianao
Ka ahiany fa adidiny
Ref: Fa Jehovah no hiady ho anao
Hiatrika ny olanao rehetra
Hianao kosa hangina sy hatoky
Fa ny làlany feno fiadanana

Partager jehovah hiady ho anao

Commenter jehovah hiady ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VLM 67Ha