4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ato am-poko mandrakizay - VLM 67Ha

Toa nahaonena re! Nampivarahontsana
Nangoraka ery ny fo, toa tsy nino
Fa maty ny Tomponay
Maty noho ny helokay
Zany fitiavanao ho ahy ry Ray ato am-poko mandrakizay

Indro izao efa resinao ilay fahafatesana
Nangoraka ery ny fo fa voadio
Velona ny Tomponay
Velona mba hamonjy anay
Zany fitiavanao ho ahy ry Ray ato am-poko mandrakizay

Ka mba inona re no havaliko lay fitiavam-be Jesosiko
Moa ve tsy fitiavana ihany koa

Tiako loatra ianao Jesosiko
Indro aho avaozy ho anao

Ny ra nalatsakao ho avotro
Sy ho tokin’ny fiainako

Ka manomboka izao dia tsy hiala aminao
Mpamonjy tia ô!

Fa fitiavana madio tokoa re no itiavako anao Tompo ô

Partager ato am-poko mandrakizay

Commenter ato am-poko mandrakizay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VLM 67Ha