4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Handeha aho - Zanny

ANDEHA AHO



Handeha aho hoy ianao

F’efa ela loatra no niarahana

Leo aho mahita anao

Tsara raha asiana fisarahana

Toeram-baovao indray

No tiako hanorenana fitia

Fa tsy fisiana lava ny eto

Mampijaly mankahia





Dia lasa ianao toa nirintona

Ndeha hitady fiainam-baovao

F’izaho koa moa tsy nidrikina

Fa lehibe manan-tsafidy ianao

Nangasihasy aho nefa  nangina

Angamba tsy anjarako ianao

Mandehana mahita ny tiana

Ataovy izay sitrakao





Indray andro anefa gaga aho

Raha nahita anao nitsopitsopy

Tamy hamelona indray

Ilay afom-pitia efa nitsilopy

Angamba tsy nahomby hoy aho

Ilay fiainambaovao izay nokasaina

Ka hany herin’ity adalako

Nody rehefa tonga saina



Tsy misy mihoatra ny eto

Ny fiainana dia fiahafiana

K’aza diso hevitra fa ny eto

No tena fahoriana

Ekeko aloha fa mihafy isika

Saingy raha mifankatia

Sy mifanampy

Dia hisarintsarim-paradisa

Ity tokatrano nihafintsika



A/C  ZANNY

Partager handeha aho

Commenter handeha aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny