4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Norarana - Zanny

Efa rarana ianao

Norarana, mba

Tsy hiara-dia amin’ny olon-tsahirana

Fa hahay hifikitra sy hiriaria

Amin’ny olona misy hamikirana







Satria ianao, ilay hatsaran-tarehy,

Reharehan’ny fianakaviana

Ka hatao fitaovam-pitadiavana

Hamidy sy hampiratiana







Malahelo ihany ny fonao

Ny hanifika ilay efa nekena

Nefa voarara sy voakiana

Hoe mampanjaka fitiavan-tena







Fa raha lehilahy tsisy harena hono

Tsy sahaza ny ho anao raha vadiana,

Satria kisoa bory Rambo ireny

Ts’isy ho raisin’ny fianakaviana











A/C ZANNY


Partager norarana

Commenter norarana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny