4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Afaka ny gadrako - AFAFI Taninanandrano

Afaka ny gadrako

maivana ny ziogako

lasa ny haizina fa tonga ny mazava

dia ilay Jesosy tia

teraka hamonjy ahy ety



Efa nosoloiny izao

Ity lamba rovitra

fitafiana vao nomeny mba ho ahy izao

Ho mendrika satria ny fanjakany ho doria



Menatra aho, menatra aho

Ry Tompo ô!

Noho ny ratsy zay efa vitako

Tsy mendrika aho nefa avelao raha sitrakao

mba hitoetra eo an-tongotrao



Tompo ô!

tsy nety Ianao

fa noraisinao ny tànako

nofafànao koa ny ranomasoko

ka toa sambatra ery ’ty fo

Tompo ô!

tsy nety Ianao

fa noraisinao ny tànako

nofafànao koa ny ranomasoko

Afaka tokoa ny Gadrako.

Partager afaka ny gadrako

Commenter afaka ny gadrako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AFAFI Taninanandrano