4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Baby love - Rixah

BABY LOVE
Yeeeh ! ouuhh ! baby eh ! ho anao you
Jamys , Rixah

Ianao io fankam-panahy
Tsy naitako tory isan’ora ka atram’izay
Fa lasa ny saiko sy ny foko sy ny sisa indraindray
Tiako ho silam-panahy, ho ahy fa potika sy rotika
Tanteraka aminao ny mombamomba, ahy… ; ahy…, aoay
Nalefa epistily, secret sy taratasy sy ny sisa sms, mailaka sy dedikasy
Bobaka… bobaka be… ho ahy sy ho anao my baby eh !!!

Miandrandra Love aminao you
Ty foko ity tokana iray
Fa latsapaka be tokoa
Baby love… baby love….
Ianao milaza ho tena tia
Moa ve mandrakizay
Tsy hivadika akory sanatria
Ho eo anilako eo
Ho ratrizay

Ilay endrikao mahasarika ahy
Tiako fa toa mampanahy baby
Efa anao ny amiko
Efa niriko efa hatrin’ny ela
Ny hany mba ho eo anilanao
Hitoetra atrany hifankafy
Tsy hifandao intsony aminao you my baby eh !
Na ho ahy ianao (my baby eh)
Na tsy ho ahy ianao (my baby eeh)
Natokako ho anao, ho anao irery ihany
Atolotro anao ny amiko sisa eto an-tany !!!


Miandrandra Love aminao you
Ty foko ity tokana iray …

Ef’ ela ilay fanirina, eny mbola miandry aho
Ef’ela niafina hatreo mitalaho foana
Fahasambarako iray, dia ianao babyy
Dia mbola ianao ihany, ianao atrany
Ny ato am-poko ato akiiiiiia yehh…

Miandrandra Love aminao you
Ty foko ity tokana iray …

Partager baby love

Commenter baby love

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rixah