4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bako - Solo Miral

BAKO



Ampirimo amin’izay ny entan-kelintsika

Inty ny fanalahidy, andao handeha hidio ny trano

Mbola misy 3 volana ny fakan-drivotra, hoy aho,

Ry Bako, hiarahantsika milalao amin’ny fararano



Hilaozana kely aloha ilay toerana mahazatra

Iry efa miandry iry ny fiarakaretsaka,

Aza eo indry no variana miazoazo,

Volatantely no miandry antsika hoy aho ry Bako



Impirimpiry aho no milaza hoe : “hitondra anao irery any Antsirabe”

Any azoazo ny frais, azoazo ny frais any, any azoazo ny frais.

Impirimpiry aho no naniry hitondra anao irery any Tsiazompaniry,

Any tsy dia misy olona mitafa firy, ts’isy , ts’isy olona firy any

Any ts’hisy ts’hisy olona firy, Bako, Andao handeha

Ô ! ô ry Bako, Bako, Bako, Bako (x4)



Ampirimo amin’izay ny entan-kelintsika

Inty ny fanalahidy, andao handeha hidio ny trano

Vita ny 3 volana nakan-drivotra, hoy aho,

Ry Bako, niarahantsika nilalao amin’ny fararano



Hiverenana amin’izay ilay akanikelin-tsika

Iry efa miandry iry ny fiarakaretsaka,

Aza eo indry no variana miazoazo,

Volatantely no vita tany  hoy aho ry Bako a!



Tanteraka ihany ity ilay faniriana hoe : hitondra anao irery any Antsirabe

Any azoazo ny frais, azoazo ny frais any, any azoazo ny frais.

Impirimpiry aho no naniry hitondra anao irery any Tsiazompaniry,

Any tsy dia misy olona mitafa firy, ts’isy , ts’isy olona firy any

Any ts’hisy ts’hisy olona firy, Bako, Andao handeha

Ô ! ô ry Bako, Bako, Bako, Bako (x4)

Partager bako

Commenter bako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo Miral