4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lalam-pamonjena - AFAFI Taninanandrano

Ry Mpamonjiko malala ô

Inty ilay maditranao

Avy mitalaho eo Aminao

Fa tsy tanteraka



Maro be ny ratsy vitako

Nampalahelo ny fonao

Ankehitriny aho Tompo ô

Hiverina Aminao



Réf:

(Dia Indro Ianao)

Indro aho manolo-tanana

Mba manantona Ahy izao

Fa Izaho Tomponao anie vonona handray anao

(Fa misy)

Misy lalam-pamonjena izay haposako ho anao

Hanantonanao ny lanitra fonenam-baovao





Eny sirakao tokoa re

Ny nanavotanao ahy

Fa ny lalam-pamonjena

Efa natolotrao

Ka ny faniriako Tompo ô

Ny hiara-dalana Aminao

Tehirizo ho eo am-balanao

Hifikitra Aminao



Réf:

(Dia indro Ianao)...................





AFAFI Taninanandrano


Partager lalam-pamonjena

Commenter lalam-pamonjena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AFAFI Taninanandrano