4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - MIA

tao anaty haizim-pito

no nandraisanao ahy

nitalaho

nitanisa ny andro lasa

toa nandratra sy nisinda ihany

soa fa teo,teo ianao

nanome fitia

nampahery ahy

nofinofy ve izany

sa fanantenana,hazavana vao



dia tambitamby sesy lany

no natolotrao ahy

nampanantenako anao

fahasambarana mamy



ka hira sy mozika koa

nandravahanao ny andro

niainako tanilanao

niandrandra fiainan-baovao



raha lasa indray ianao

dia nangoniko ahy

reo tsiahy

toy ny adro ny maraina

nantenaina

hampitony ity foko maina



soa fa teo......

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIA