4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila ody aina ny fony - Olombelo ricky

Ditsokao lasa ny fony
Ontsa ny fanahiny
Toa tafara-dalana teny tsy tonga ihany
Izay jereny ataony toa mampiahiahy

(2)Ref: averimberiny matetika foana hoe
Ireo ratra napetrakao
ataony resaka, isan’andro fa hoe
ny fonao an’azy fa tsy nindraminy

ny fonao an’azy fa tsy nindraminy

mila ody aina ny fony
ho ataony ody fanina
dia itondray vakana any izy
fenoy ramilamina
fa mila ody aina ny fony
fa ianao no mody fanina
dia itondray vakana any izy
fenoy ramilamina

ref : tsy mety afaka ao an-tsainy mihitsy
intsony anie
ilay nofy nikambananareo farany
manenjika manalokaloka eny foana anie
ilay fofonao manitra fitiavana

ilay fofonao manitra fitiavana e!

omaly sasa-kalina dia nisy fo iray niendahin’ny olo-tiany teny an-dalam-be ny nofy. Ny ankoran’ny fitiavany dia atao veloma farany eny ambony (…)
tsy misy voninlazo fa tsimaintsy misy fiaretan-tory, ka ny fasanao no fasany; indray alevina aminao, na ny hoaviny na ny lasany. Nefa ity no tadidio, izay zavatra efa vita dia isasahana mitovy, na ny tsiaro na ny tsiky
na bitsoka io na ditsoka
na ditra lasa ritsoka

ditsokao lasa ny fony
ontsa ontsa ny fanahiny
difitrao lasa ny fony
misaona ny fanahiny
toa tafara-dalana teny fa tsy ho tonga ihany
izao tsy very ambiroa
izao tsy very fanahy
tsy very fanahy e e e e ! !

tomany ianao tomany e!
mba tsy ho difitra ny ampintso

Partager mila ody aina ny fony

Commenter mila ody aina ny fony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Olombelo ricky