4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy kivy - Tselatra

Sao heverinao kilalao

Izao hirako izao

Lava volo tsy be teny be gitara hoy ianao

Nefa tsy hainao ,tsy fantatrao



Tsy lasana ny manaraka intsony

Ny rendrarendran’ny satana sy demony

Andriamanitra fitiavana

Hivavaka aho eh! Hidera ny Ray

Ka hivavaka aho ê, hitsaoka ny Ray



Fa na ory aho na tomany

Tsy ahoako intsony izany

Mbola hoavy ilay andro ilay andro hifaliana

Hijinjana ny rehetra nihafiana



Ny fiainana mitsimbalivaly

Ao ny tsara sy ratsy mifandimby hatrany

Anao ny safidy raiso ny tena izy

Fa Jesoa no iray ê, mandrakizay

Fa Jesoa no iray, Mpamonjinay

Jesoa no iray mandrakizay

Fa Jesoa iray , Zokinay



Aoka re ho fantatrao ê

Fa novonjena tokoa ianao

Tamin’ny Ran’i Kristy tonga tety

Iraka avy any an-danitra any

Nanafatra, mifankatiava tsara

Mifanaja, Mifanaraha,  Mitandrina ny lalana

Ao amin’ny Ray ê mandrakizay

Ny toetran’ny Ray, Andriamanitra

Masina (3)x2

Ao amin’ny Ray ê mandrakizay

Manaja ny Ray Andriamanitray



TSELATRA










Partager tsy kivy

Commenter tsy kivy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite