4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako aloha - TSINJO

I-Izao isika faly ery
Fa nifankahita indray ny mpifankatia
Saingy antsokosoko ihany, izany fiarahana izany
Lay malalanao miandry anao

Tsy hay hoe, inona no nahatonga izao
Ditra ve sa ny fitiavana
Ianao efa nanaiky taminy, teo ambony alitara
Fa ho tia azy mandrakizay


Ref- Tiako aloha, raha ianao, no eo anilako rahatrizay
Fa ho nofy izay, ho nofy ihany,
F'aleo ho mpinamana tsotra eh!

Mandehana ianao mody @ izay,
Fa miandry anao lay anakiray
Tsy manam-po, tsy mana-tsiny
Miandry fatratra anao ery
Tiany ianao, tsy foiny ianao, ianao ilay malalany



II-Iriko isika mba ho hendry @ izay
Ampy izay ditra rehetra vita izay
Aleo sisa ho mpianadahy,
Na ho mpinamana tsotra ihany koa
Ireo zava-bita taloha aoka hivalona any

Izao ranomaso hisarahana izao
Enga anie hitondra ampitso vaovao
Izay vita aoka hivalona any,
Mangina ianao fa aza tomany
Dia mampamangy an'ilay vadinao

Partager tiako aloha

Commenter tiako aloha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TSINJO