4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka - Rossy

Omeo anay ny saina tony

Ho entinay miatrik’ady

F’ianao no ray ao ambony

Sy fanilonay mitady

Halaviro anay ny fo maloto

Fisedrana mahamay

Omeo anay ny fo mazoto

Tompo oh, izay no vavakay



Fa mihasarotra isan’ora

Anie ny fiainanay ety

Miha ety miha ety

K’aza avelanao hahia

Oh ampio izahay tsy misy mpihantra

Ampio izahay mahantra

Sakaizan-ponja sy ny gadra

Tomany sy midradradradra



Omeo anay ny saina tony

Ho entinay manompo anao

Fa mbola maro ny demony

Rakotr’ota izao tontolo izao

Ny ady etsy sy eroa

Vono moka tsy amim-boka-tsoa

Fa mbola maro anie ny fery

Sy ny herisetran’ny mahery



Tompo oh, izay no vavakay

Partager vavaka

Commenter vavaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy

Suite