4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diso tia - Zanny

Feno feno ery ny fo

Rehefa injay manina anao

Mamisavisa izay ataonao any ho any

Maka toera-mangina ka mifoko samirery

Feno tokoa ny fo tsy hadalana velively



Tiako ianao, tena tiako ianao

Ianao ihany no ao am-poko ao

Mangahiahy raha ilaozanao

Toa zava-poana  izao tontolo izao

F’izao  dia tia ka tsy maha toetra

F’efa feno anao manontolo

K’izay rehetra tazanin’ny maso dia

Toa anao ianao avokoa



Toa verivery saina aho

Rehefa injay tsy anilanao

Manjeninjeny toy ny  adala tsisy atao

Na ny alina mangina

Indro fa manembona anao

Izany amgamba no tena tia

Diso tia….





Any ianao, any ianao

Asa izay mba ataonao

Moa ve mieritreritra ahy

Sa dia variana miriaria

F’izao aty tsy mahatoetra

F’efa feno anao manontolo

K’izay rehetra tazanin’ny maso

Dia mampatsiahy anao avokoa



Fenofeno ery ny fo

Rehefa injay fa eo ianao

misinda ireo tebiteby sy ahiahy

Tena sambatra ny fanahy

Hadino ireo ratsy voatsiahy

Eo ilay silakin’ny aina

Mandrimandry ery ny saina



Fenofeno ery ny fo

Rehefa injay fa eo ianao

Hadino izay nataonao tany ho any…





A/C ZANNY    1998

Interpreter par Tarika Hasina

Partager diso tia

Commenter diso tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny