4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahasambatra fanahy - Zanny

   Mahasambatra fanahy

Ny manana olon-tiana

Indrindra izy raha miahy

Ny akany na dia fihafihana

Izy no afaka hitahiry

Ireo tsiambaratelon’ny fiainana

Sy ho mpanala ngirifiry

Andry sy fitarainana



Raha sendra ady mahamay

Hanampy izy hankahery

Raha tojo fifaliana indray

Mahazo mino ianao

Fa tsy ho irery



Mahasambatra fanahy

Ny hitokian’olon-tiana

Raha taratara aza indraindray

Tsy ho sendran’ireo fanontaniana



Satria mifampatoky

Filaminana manjaka

Fitia tsisy soloky

Tokantrano miorim-paka





Mahasambatra fanahy ….









PAROLE & MUSIQUE ZANNY

Partager mahasambatra fanahy

Commenter mahasambatra fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny