4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamela ahy - Zanny

MAMELA AHY





Mialatsiny aho sombin’aina

Raha toa nandiso fanantena

Voafingana aho ka lavo

Tsy tena tia fa noterena





K’ aza manameloka ahy ry aiko

Fa hadisoana efa vita ny ahy

Nefa aza manahy foana

Fa toneo aloha ny fanahy







Izao fiainako  izao

Dia tsy midika velively

Fa tsy ho tiako intsony ianao

Na hoavelako irery

Fa mbola voafatotra aho

Ka tsy afaka manoatra

Nefa any andro iray

Mbola hahafahako mitroatra







Ny antsika sombin’aina

Fitia vokatrin’ny fo

Ka haharitra mandrakizay

Na dia tsy afaka ny ho iray

Koa mamela ahy ry aiko

Ifonako ireny rehetra ireny

Honerako hosoloiko

Fitia hafahafa indray













A/C ZANNY  1980

Partager mamela ahy

Commenter mamela ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny