4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara andry - Zanny

Raha hihatsaravelatsihy

Aleo dia foanana

Ny mamitaka ny tiana

Dia fihetsika tsy hiavanana

F’izao dia tia ka mahatoky

Fa manana andry iankinana

Sy hiangotingotiana

Nefa voafitaka aho satria

F’ilay olon-tiana anie

Ka mpihatsaravelatsihy





Tsaratsara aloha ny mifandaho

Tsy misy maratra

Dieny mbola tsy hanenenana

Ny ampendeferina

Ilay fitiavana voaratra

Fa raha mitohy dia tsapa fa

Ho montsana ny amiko

Sy ny ho avy manontolo

Koa aloha hisinda kely

Ilay fitiavako dieny

mbola tsy bobongolo





Fa ianao tsara andry iankinana

Sy tanana mpanafosafo

Manga habakabaka hisidinana

Voatamby fitia mitafotafo

Koa mamela ahy

Mba hijerijery

Ny sahaza ahy

Sy tsy hamery

Ity fahantrako eo

Andalam-pivoarana

Ny ngidim-piainana

Tsy azo anoharana

Koa andeha re

Fa tsaratsara ho antsika

Ny mifandao





A/C ZANNY  sep 1982

Interpreter par Tarika Hasina / Lucien Randrianina

Partager tsara andry

Commenter tsara andry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zanny