4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fomba - Apost

Tsarovinao ( x2)

F’hatramin’izay k’hatramin’izao

Misy fomban-drazan-dranazao,

‘Zay tokony hiainanao

F’hatramin’izay k’hatramin’izao

Any ambanimbanivohitra any

Ho tsapanao, ho hitanao

Fa malagasy gasy ianao

An-an-an-an-an-an



Tsy ny fifampikasohanao

Amin’ny olon-kafa any ankoatra any

No mety handaozandaozanao

Ny fomba izay nahazatra anao

Raha misy fandehananao

Any ampitan-dranomasina any

Tandremo sao hadinonao

Fa malagasy gasy ianao

An-an-an-an-an-an



Tsy ny lokom-bolon-koditra

No maha-ambony na ambany

Fa ny fanahy anatinao

No mahaolombelona

Tsy ny harena am-pelatanana

Na vatosoa hahasambatra

No anandevozanao

Ny iray rà aminao

An-an-an-an-an-an



APOST

"DIDY FOLO"

Partager fomba

Commenter fomba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Apost