4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manantena - Apost



Tsy naniry ny ho avy eto an-tany

Fa tonga tsy fidiny

Rakofan’ny sompatra ny tomany

Mafaitra ny ngidiny

Ny sasany fadiranovana

Resy tanteraka

Miady saina sy torovana

Mivoady tsy hiteraka



‘Zany ve no lahatra, sy anjara

Sa tsy vintana,

Sao kosa lahy ratsy zara

Mitongilana

Fiainana zary kilalao

Mamy misy poizina

Ampy izay, manantena anao aho



Ny aretina moa tsy lazaina

Manaloka eny ihany

Mangirifiry, manaintaina

Mahalasa vinany

Indray andro ary tsy maintsy miala èty

Na tiana na tsy tiana,

Asa na mandrakizay doria

No tsy hietsika hangina



‘Zany ve no lahatra, sy anjara

Sa tsy vintana,

Sao kosa lahy ratsy zara

Mitongilana

Fiainana zary kilalao

Mamy misy poizina

Ampy izay, manantena anao aho



Speed :

Manantena aho f’indray andro any

Mbola hitsikin’ny vintana ihany

Ary mbola hitohy hatrany

Raha mbola tany koa ny tany



Manantena aho tsy kivy satria

Ady ny fianana èty

Manantena aho satria

Tsy vitan’irery ny àty



Ny ho resy dia sanatria

Ny èty tsy ho doria

Ka manantena anao

APOST 2001

Partager manantena

Commenter manantena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Apost