4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sombiniaina - Apost

Izany hafaliana raha vao nahita anao

Tonga teto an-tany nanomboka tomany

Nidobodoboka ny fo toa faly aok’izany

Toa tsapako avy hatrany fa misy fitia tena mamy



Ref:

Fa zavatra tsy mba hadinoko

Vao mianatra miteny

Miantso dada sy I neny

Nibadabada eran’ny trano

…..



Tsy andriko intsony ny ora firavana

Ahitana anao indray ry sombiniaina

Vao eo am-baravarana vorovoro aloha  ny maso

Toa mitady zavatra ty te halala an’izany



Ref:

Fa zavatra tsy mba foiko

Izany atao hoe zanaka

Tena silaky ny ainao

Ary tsy mba mety ho adinoiko

Na dia lavitra aza izaho

Tsy mba afaka ao an-tsaina



Rehefa izaho mibedy ireny

Nenina ny avy eo

Tsy mampahazo aina

Tambatambaziko avy eo

Ka tsy hiala eo aho

Raha tsy efa vita ilay teo

ISA!!!!!



Fa zavatra tsy mba foiko

Izany atao hoe zanaka

Tena silaky ny ainao

Ary tsy mba mety ho adinoiko

Na dia lavitra aza izaho

Tsy mba afaka ao an-tsaina

f:

Fa zavatra tsy mba hadinoko

Vao mianatra miteny

Miantso dada sy I neny

Nibadabada eran’ny trano

…..



Izany hafaliana raha vao nahita anao

Tonga teto an-tany nanomboka tomany


Partager sombiniaina

Commenter sombiniaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Apost